Mampiavaka ny fitondram-panjakana ao anatin’izao Repoblika faha-IV izao ny tsy fifehezana ny sehatry ny arofenitra.
Tsikaritra hatrany ireo lesoka mandritra ny fandaminana amin’ny fiatrehana ireo lanonana ofisialy lehibe na koa amin’ny fandraisam-pitenena hataon’ireo olom-panjakana ambony. Zava-dehibe indrindra amin’ny fihaonana iraisam-pirenena anefa ny famolahana tsara ireo dingana isan-tsokajiny momba ny arofenitra. Efa miroso amin’ny fampiantranoana ireo hetsika goavana iraisam-pirenena moa i Madagasikara ankehitriny ka rariny sy hitsiny raha hamafisina ireo goragora sy izay tokony harenina ho fiatrehantsika ny Fihaonana an-tampon’ny Frankofonina amin’ny taona 2016. Mampiofana ireo mpisehatra arofenitra Malagasy eny anivon’ny andrim-panjakana miaraka amin’ireo ministera ny masoivoho vahiny avy amin’ny ministeran’ny Raharaham-bahinin’ny Repoblikan’i Torkia Numan Hazar nanomboka omaly. Maharitra 4 andro ny fampianarana ambony latabatra sy an-kianja.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.