Actualités

«Arivo lahy tsy maty indray andro» Nampiaka-peo ireo zandary tsy nahazo vola


  • Talata 14 Desambra 2010

Niaka-peo ireo zandary marobe izay anisan’ny natao «Arivo lahy tsy maty indray andro» ka nomena fanamiana mba ho toy ireny mpiambina mpanjaka ireny.

Vola 30.000 ariary isan-dahy no nampanantenaina an’ireo fa homena avy hatrany raha vao vita ny fetibe sy ny fihetsiketsehana isan-karazany izay nilana azy ireo. Ny zava-nisy anefa dia nisy manamboninahitra iray niandraikitra izany nanao «lavalava» ny fizaram-bola. Ny antsasany monja no nomeny ireo zandary marobe izay nanao ny fihetsiketsehana. Ny ambiny kosa dia nampanantenainy fa omaly (alatsinainy) no hofenoina. Tsy hita anefa io manamboninahitra io ary tsy nisy nahazo vola arak’izany ireo «Arivo lahy tsy maty indray andro». Niaka-peo izy ireo teny amin’ny toby omaly. Tsy mbola fantatra izay mety ho fivoaran’ny toe-javatra ary mendrika ny mba hisy fanadihadiana misokatra ity raharaha ity. Raha tsy azo mantsy ny vola ato ho ato dia mazava ho azy fa misy ny fanodinkodinam-bola. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT