Fotoana vitsivitsy izao dia tsikaritra fa tsy hita firy eny amin’ny mpivarotra mahazatra ny arina fandrehitra. Raha ny fanazavana nomen’ireo mpivarotra dia noho ny lalana izay miharatsy mandrakariva no antony
. Betsaka amin’ireo arina tokoa mantsy no alaina any amin’ny faritra saro-dalana tahaka ny any Faratsiho sy Moramanga. Noho izany dia mitombo ihany koa ny saran-dalana sy ny fotoana lany eny an-dalana. Ho an’ny mpivarotra eny Andravoahangy dia efa ho tapa-bolana izao tsy nahatonga entana izy ireo noho ny antony izay efa voalaza tetsy ambony. Hita ihany koa fa mitombo be ny vidiny. Araka izany dia betsaka amin’ireo olona mampiasa arina fandrehitra no manangona amin’izao fotoana satria tsy fantatra izay mety ho tohiny.
Tojo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.