Tafakatra 19 isa ireo olona namoy ny ainy vokatry ny tazo mahery teto amintsika hatramin’ny fiandohan’ny taona 2015, raha araka ny tatitry ny minisiteran’ny fahasalamana omaly. 22.500 isa ireo voakasiky ny aretina izay marihina fa teny anivon’ny tobim-pitsaboana avokoa.
Nitombo io salan’isa io raha araka ny fantatra. Fito mantsy no niandohan’izany tamin’ny taona 2013, raha 13 kosa tamin’ny taona 2014. Nampiavaka ity farany ny fisian’ireo zaza latsaky ny 5 taona izay nahatratra 35 % no lasibatra. Antony raha araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny fahasalamana hatrany ny fisian’ny rivodoza nandalo teto amintsika ankoatra ny fiovaovan’ny toetr’andro. Eo ihany koa ny fifindra-monina hataon’ireo tantsaha ka mandrovitra ny lay misy ody moka nozaraina taminy. Mikasika ilay tranga tany amin’ny faritra atsimo atsinanana manokana izay nahafatesana zaza miisa 82 be izao dia nambaran’izy ireo fa ny 53 %-n’ireo zaza ireo ihany no hita fa voan’ny tazo fa ny ankoatra izay nifangaro tsy fanjarian-tsakafo sy aretina hafa avokoa. Tsara moa ny manamarika fa efa maimaimpoana ny fitsaboana ny aretina tazo eto amintsika nanomboka ny taona 1996.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.