Raha maimamipoana ny fitiliana ny Vih/Sida teo aloha dia manomboka manahirana ny fahazoana izany. Mety ho fiantraikan’ny krizy eo amin’ny fahasalamam-bahoaka izany. Mbola fahazarana ho antsika Malagasy koa ny fanaovana dokotera tena izay miteraka olana hafa.
Ny tsiranoka tsy ara-dalàna mivoaka na ny angatra, ny fery eo amin’ny taovam-pananahana na ny farasisa no ankamaroan’ny aretina vokatry ny firaisana ara-nofo tsy voaaro mianjady amin’ny Malagasy, araka ny fanadihadiana. Amin’ny ankapobeny dia ny vehivavy no sahy manatona tobim-pitsaboana. Vitsy kosa ny lehilahy mitsabo tena raha tratry ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Raha ny Vih/Sida dia latsaky ny 1% ny taham-pahavoazana eto Madagasikara hatreto.
Misedra olana anefa ny fitiliana ny Vih amin’izao, raha ny fanazavana mpitsabo tsy miankina iray. Saika efa dila avokoa manko ny datin’ireo fitaovana fanaovana fitiliana amin’izao. Misy ihany anefa ireo tobim-pahasalamana mbola manana ny vaovao. Vokany, lasa andoavam-bola hatrany amin’ny 2 alina Ariary latsaka kely ny fitiliana ny Vih na dia tokony ho maimaimpoana aza izany tahaka ny teo aloha. Ankoatra izay, nisy fotoana nanaovana dokambarotra mamay be ireo fanafody hitsaboana ny angatra sy ny fery, hany ka lasa mora ho an’ny rehetra ny nividy izany ary dia samy nanao dokotera tenany avokoa ireo narary. Tsy sahy manatona tobim-pitsaboana sy dokotera ny ankamaroany noho ny henatra. Vokany, lasa tsy handairan’ilay fanafody intsony ny marary sasany satria efa natetika loatra na koa niteraka aretina hafa indray, hoy ihany ity mpitsabo tsy miankina ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.