Arena voajanahary tsy voaaro sy tsy asiana lanjany

« Mandeha ny trafika satria gaboraraka ny fitondrana an’i Madagasikara »


  • Zoma 10 Mey 2024

Vahiny manokan’ny Fandaharana Bemiray ao amin’ny Top Radio 102.8 FM i Pr Jonah Ratsimbazafy

Mpampianatra Mpikaroka, Filohan’ny GERP (Groupe d'étude et de Recherche sur les Primates de Madagascar) Filohan’ny IPS (International Primatological Society) omaly alakamisy 09 mey 2024. Momba ireo sokatra 1076 sy varika 48 tratra tany Thaïlande, nambarany fa biby malagasy, tsy toy ny biby rehetra fa tena mampiavaka an’i Madagasikara, tokony ho reheraha, io no antony mahatonga ny vahiny ho tonga eto. Mahamenatra ny fomba nivoahany satria tamin’ny alalan’ny trafika. Misy ireo varika na ragidro any ivelany, fa tao anatin’ny fifaranarahana. Eto amintsika ihany koa izao misy tahaka izany tahaka ireny vorombola ireny. Tsy vao sambany fa betsaka ny trafika tratra toy ny « reptiles » na biby mangatsiaka ra miondrana izay any Asia no betsaka. Saika ao anatin’ny biby arovana Annexes 1 an’ny CITES (Convention sur le commerce international des espèces de faune et de flore sauvages menacées d'extinction) avokoa anefa ireny. Betsaka ny zavatra miondrana tahaka ny volamena, biby, orkidea,… ka tena pasoara ve isika ? hoy izy. Nambarany fa gaboraraka izany ny fitondrana an’i Madagasikara, ka mivoaka ny gidro, volamena, hatramin’ny olombelona. Betsaka izany biby 48 izany mety ampahany amin’ny tratra fa raha izao no mitohy dia mbola hahitana varika ve eto Madagasikara fa ho lasa any ivelany daholo ny biby Malagasy ? Eo ny miondrana fa notsiahiviny ihany koa ny hoe : tsy azo azo samborina, opiana na aondrana ireny. Any amin’ny 28000 ny varika any am-pelantanan’ny olona eto Madagasikara. Minia mikipy ny Fanjakana. Rehefa izay no mitohy dia tsy hisy biby intsony any anaty ala. Tsy mifanambady ny reniny sy ny zanany lahy, ny rainy sy ny zanany vavy,… Tsy mifamototra fa mandeha mitady fianankaviana hafa, ka tsy mitombina ilay hoe : ompiana any an-trano sy ampitomboina taranaka, hoy ny fanazavana ara-teknika nentin’i Pr Jonah Ratsimbazafy. Mieritreritra aho, hoy izy, fa mba hiteny ny mpitsara, kanefa mangina ny fitsarana. Rehefa misy olona tratra mitazona mamono biby, ka ny firesaky ny mpitsara dia hoe : gidro ve hanagadrana olona, sokatra ve no hanagadrana olona. Betsaka no tsy mahatsapa, fa fitiavan-tanindrazana no hiarovana azy ireny. Betsaka ny tombam-bidin’ireo, misy ny lalàna, tonga hatrany amin’ny fandoavana onitra 10 tapitrisa Ar sy mampigadra hatrany amin’ny 20 taona an-tranomaizina. Olona namono varitra 7 tany Maroantsetra anefa sazy mihantona herintaona. Naneho hatrany anefa izy, fa tsy mikely soroka eo anatrehan’ny fiarovana ireo harena voajanahary, ka mifandray amin’ny mpikaroka any ivelany, nifampiresaka, niresaka tamin’ny ambasady amin’ny fomba hamerenana an’ireo, niresaka sy nifanazava tamin’ny Minisitry ny tontolo iainana. Efa miresaka amin’ny governemanta Thailandey, hifampiresaka amin’ny United Wilde Life any Etazonia, ny WWF,… amin’ny fomba hamerenana ireo sokatra sy varika.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT