Actualités

Antsohihy Notokanana ny tranon’ny CNaPS


  • Sabotsy 17 Mey 2014

Notokanana omaly zoma ireo tranon’ny CNaPS ao Andongona Antsohihy. Tonga nitokana izany ny Minisitry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalŕna sosialy Maharante Jean de Dieu.

 Tanjon’izao fotodrafitrasa izao ny hampirisihana ny mpiasam-panjakana hazoto hiasa any amin’ny toerana ivelan’Antananarivo eo koa ny fitsinjaram-pahefana, hoy ny Tale Jeneralin’ny CNaPS Arizaka Rabekoto Raoul. Trano fonenana lehibe miisa 5, mahazaka fianakaviana sy mpiasa miisa 10 no natsangan’ny CNaPS ao Andongona, toerana ahitana ihany koa ny Biraon’ny CNaPS sy ny fonenan’ny Talen’ny Masoivoho CNaPS ao Antsohihy. Nambaran’i Maharante Jean de Dieu fa reharehan’ny Minisitera ny fananany ny CNaPS. Nambarany ihany koa ny maha zava-dehibe ny fisian’ny Club Zandriolona satria dieny mbola kely dia ilaina ny fahafantarana ny fiahiana ara-tsosialy.

Notsindriany teto ihany koa ilay fampiakarana ny karaman’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina ho 10,5% izay efa nihatra nanomboka ny volana martsa lasa teo. Nifanindran-dalana tamin’ity fitokanana ny trano ny fananganana tamin’ny fomba ofisialy ny Club CNaPS Zandriolona Sofia. Mpianatra miisa 150 ao amin’ny kilasy CM1 avy amin’ny EPP Haute Ville ao Antsohihy no mandrafitra azy. Fantatra koa izao fa hanomboka amin’ny alatsinainy 19 mey izao ny CNaPS mitety vohitra ka Distrika miisa 7 ato anatin’ny Faritra Sofia no hahazo tombony mandritra ny 10 andro.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT