Hatairana ny an’ny mponina tao an-tampon-tanànan’Antsiranana, ireo renim-pianakaviana indrindra indrindra teo anatrehan’ny fiakarana tampoka teo amin’ny vidin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Hatrany amin’ny 100% ny sondro-bidy. Nanomboka ny alahady 05 desambra iny no nanamarihana io fiovana io. Ny nanaitra aza dia zara fa misy mba tsy hilazana fa nanjavona hatramin’ny savony.
Raha ny vidin-javatra teny an-tsena omaly alarobia izao dia lasa 600Ar ireo savony fividy 300Ar teo aloha. Etsy andaniny dia tsy hita eny an-tsena intsony ny savony amin’ny 500Ar.
Ny fotsimbary aza moa dia mananika ny 700Ar tampoka teo ny iray kapoaka. Nisy fiakarana toy izany ihany koa ny vidin’ny siramamy. Gaga ny mpanjifa any an-toerana, DIANA, manontolo mihitsy eo anatrehan’izany satria dia maizina ampototry ny jiro izy ireo. Vokarina ao Ambilobe (SIRAMA) ny siramamy nefa, araka ny fantatra, dia alefa hamatsiana ny Tsena Mora aty Antananarivo sy Mahajanga, Toamasina sy Toliara ny vokatra miala ao, dia Antsiranana, eny fa na ny ao Ambilobe koa aza dia mividy lafo. Hatreto dia tsy misy fanazavana mazava ny mahatonga izao fiakaram-bidy tampoka eo amin’ny PPN izao, hany ka dia maro no mihevitra fa fanararaotana no betsaka. Izay angamba no endriky ny fahalalahana ara-barotra sy ny fifaninanana, raha mbola misy koa izany, na efa ny manjaka tokana no mihatra.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.