Actualités

Antsiranana Mampihoroho indray ny FOROS


  • Talata 14 Desambra 2010


Mandravarava ny FOROS, fikambanan-jiolahy tanora mahery setra, ao Antsiranana ao. Maro no lasibatra. Tao no naratra, nisy namoy ny ainy mihitsy aza, tao ireo very fananana toy ny nanjo ity mpiasan’ny «Finances» ao Antsiranana ny alakamisy 09 desambra lasa iny. Nitondra moto «scooter» ndeha hamonjy fodiana izy no notahifin’ny FOROS tamin’ny torabato raha nandalo ny lalana somary maizimaizina akaikin’ny kianja Mitabe. Amin’ny fito roa hariva ny andro tamin’io. Nisy ny hetsika nataon’ny mpitandro ny filaminana hamerenana ny fandriampahalemana ao an-tanàna, satria dia efa maro loatra ny fitarainana voarain’izy ireo. Tafakatra 30 tany ireo zaza maditra voasambotra tamin’ny herinandro iny. Feno hipoka hatramin’ny «violon». Anisan’ireo voasambotra i Socobis, izay mbola tanora tokoa nefa nitombo tao am-pigadrana noho izy mivoaka sy miditra ny fonja. Betsaka ihany izay ezaka nandravana ireto FOROS ireto fa ny eo voasambotra, ny eo mirongatra ihany mampihorohoro ny tanàna, asa mila olona toy ny lehiben’ny Emmo-Reg eto Antananarivo koa angamba any vao hilamina. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT