Actualités

Antsirabe Zaza 7 volana maty voatsatok’antsy


  • Zoma 20 Jolay 2018

Mpivady mbola tanora no nahavita nahafaty ny zanany tao amin’ny fokontany Ampatana tamin’ity herinandro ity. Ny talata lasa teo no nitrangan’izany tao akaikin’ny abatoara Antsirabe.

 

 Raha ny fitantaran’i Andry, anadahin’ilay vehivavy dia niady ny anabaviny sy ny vadinny izay efa matetika no hanaovan’izy ireo izany. Tokony ho tamin’ny 9 ora alina dia nidododo tao amin’ny ray aman-dreniny ilay zazavavy nilaza fa “vonjeo fa maty ny zanako”. Rehefa novohaina moa ny trano araka ny nambaran’ity anadahin’ilay zazavavy dia hitan’izy ireo tokoa fa naratra teo amin’ny lohany ilay zazavavy kely vao 7 volana monja ary nisy ratra ihany koa tamin’ny vatan’ilay lehilahy. Nambaran’ity anadahiny ity moa fa efa mpiady lava izy mivady ireo, izay vao 18 taona monja razazavavy ary vao 21 taona monja razazalahy, ary ny loza dia tia mandray zava-maranitra izy ireo rehefa miady. Io talata alina io dia nentina teny amin’ny hopitaly ilay zaza saingy tsy tana ny ainy ny alin’ny alarobia lasa teo. Ny marainan’ny alakamisy dia nentin’ny fokonolona teny amin’ny polisy izy mivady ary notanana vonjimaika. Voalaza fa ilay dadan’ilay zaza no saika hotsindronin’ilay tovovavy vadiny ny antsy saingy niantefa teo amin’ny lohan’ilay zaza izany ka nitarika izao fahafatesany izao.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT