Actualités

Antsirabe Vehivavy 30 taona, sady naolana no novonoina


  • Talata 03 Martsa 2015

Habibiana tsy roa aman-tany no nihatra tamina vehivavy tokony ho 30 taona teo ho eo, hita maty teo Ambohimiandrisoa Antsirabe omaly alatsinainy maraina 02 martsa lasa teo



. Raha ny nambaran’ny BMH dia
azo antoka fa naolana vao novonoina ity vehivavy ity ary taorian’izay
dia notsofohan’ireo tsy mataho-tody hazo ny fivaviany. Raha ny fahitana
ny razana dia efa ny alina no namonoan’ny olona azy ity ary tsy teo
amin’ilay toerana nisy ny razana no namonoana azy fa rehefa maty tany
ho any dia natsentsina tao anaty tatatra tsy lavitra ny
toeram-pivarotam-panafody iray. Ny nahagaga dia efa tamin’ny 6 ora
maraina vao nisy niantso ny mpitandro filaminana sy ny BMH nizaha ny
razana ka rehefa tsy nisy ny nahafantatra azy dia naterina tany
amin’ny tranom-patin’ny hopitaly. Nambaran’ny tompon’andraikitry ny
BMH fa nahitana ratra ny tendany sy ny faritry ny lohany.Rehefa
niverina nanao ny fanadihadiana teo amin’ny toerana nahitana ny razana
ny mpitandro filaminana dia nahatsikaritra fa misy ireny “camera des
surveillance”, ireny ilay toeram-pivarotam-panafody ka niangaviana mba
hojerena ny sary tao anatiny. Teo no nahafahana nisambotra olona roa
avy hatrany izay tsikaritra tao anatin’ny sary ary dia misokatra avy
hatrany ny fanadihadiana manodidina ity vono olona ity.Ny tolakandro
moa vao fantatra fa avy eny Ambavahadimangatsiaka no fonenan’ity
vehivavy ity saingy tsy fantatra ny antony nahatongavany teny
Ambohimiandrisoa.

Caïus R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT