Actualités

Antsirabe Vakinankaratra Namono olona indray ny taksibe


  • Sabotsy 03 Mey 2014


 Tao anatin’ny roa taona teo ho eo izay dia tena goragora tanteraka ny fomba fiasan’ny taksibe ao Antsirabe renivohitr’i Vakinankaratra ao, tsy misy ny fanajana mpanjifa fa samy manao izay danin’ny kibony ireo mpitatitra. Vokany, mitombo ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana izay hamoizana ain’olona matetika. Ny faran’ny herinandro lasa teo izao dia tanora iray vao hanamarika ny faha-38 taonany ny faran’ny volana aprily teo no maty tsy tra-drano vokatry ny fandoman’ny taksibe azy teo anoloan’ny orinasa Sacimem. Raha ny fanazavan’ny mpandraharahan’ny fitaterana iray any an-toerana dia tsy matihanina intsony ireo mpitatitra any an-toerana ankehitriny, ny lalana rahateo sady ratsy no tery, ny fiara anefa manenjika ny “versement”, manginy fotsiny ny fanovana taingim-be. Nohamafisin’ity mpandraharaha ity ihany koa fa efa betsaka amin’ireo fiara ampiasain’ny mpitatitra any an-toerana no tena efa antitra tanteraka.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT