Actualités

Antsirabe Renivohitra Niaina tao anaty haizina tanteraka


  • Talata 19 Jona 2018

Toerana tsy mba iharan’ny Delestazy ny ao Antsirabe ao. Niaina tanteraka tao anaty haizina anefa ny iray tanàna nanomboka ny alahady 17 jona tamin’ny 11 ora ka hatramin’ny omaly alatsinainy 18 jona tolakandro.

 

Tampoka sy tsy nampoizin’ny maro ny fahatapahana ka nisy mihitsy ny andian’olona nikasa hitroatra teny amin’ny Jirama. Ny tolakandro moa vao azo ny tale iraisam-paritry ny Jirama. Raha ny fantatra dia olana ara-teknika no nitranga, dia ny fahatapahan’ny tariby mitondra herinaratra matanjaka avy any Antananarivo ka mamatsy an’Antsirabe izay mahatratra 63.000 Volts. Mahatratra 149 km ny tariby mitarika izany ka tsy maintsy notadiavina ny toerana mety hitrangan’ny fahatapahana. Raha ny fanazavana nomen’Atoa Volahasina Raharomisa, tale iraisam-paritry ny Jirama Antsirabe dia an-tongotra no nitadiavana ny fahavoazana ka sahirana ireo mpiasa manaraka ny lalan’ny andrin-jiro. Nony alina ny andro dia naato aloha ny fikarohana ka ny marainan’ny alatsinainy vao hita ny fahavoazana izay 5Km niala ny lalam-pirenena faha-7, tao Sambaina.  Rehefa hita izany dia mbola olana hafa ihany koa ny fanafarana ny fitaovana izay mbola avy aty Antananarivo. Tsy ao Antsirabe ihany anefa no ahitana fahatapahan-jiro fa niseho koa ny toy izany teto Antananarivo nanomboka ny faran’ny herinandro teo.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT