Nikorontana ny tao am-piangonana. Ny antony dia noho ny famakiana bantsilana tao amin’io tranon’Andriamanitra io fa nangala-badin’olona ny pasitera ao aminy. Saika raikitra hatramin’ny ady mihitsy hany ka rava tanteraka ny fotoam-pivavahana izay voalohany tamin’ity taom-baovao ity. Manoloana ity raharaha ity dia nandray fepetra avy hatrany ny komitim-piangonana ary tapaka ny hanalàna ilay pasitera mba tsy hitandrina intsony ity fiangonana ity. Raha ny fijoroana vavolombelona tao dia efa tany amin’ny septambra tamin’ny taon-dasa no nanao ity toetra tsy mendrika ity ilay pasitera. Nanofany trano mitokana mihitsy ilay zatovo vavy ary novelominy tanteraka ihany koa.
Efa nivory hatrany ny komity manoloana ny raharaha ary nangataka ny hanalàna ilay pasitera saingy mbola ao ihany aloha izy ary mitazona ny toerany hatreto. Ny alahady teo dia novakiana bantsilana tao am-piangonana ny raharaha satria tafahoatra ny loha. Raikitra ny siotsioka sy ny hiaka isan-karazany. Tapa-kevitra ihany koa ny zanak’ampielezana fa tsy handray anjara intsony ao amin’ny raharaham-piangonana raha tsy miala io mpitandrina io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.