Saika isaky ny faran’ny herinandro dia misy trano may hatrany ao Antsirabe. Saika tandrevaka avokoa no antony na ankizy tavela irery ao an-trano no iatombohany.
Ny alahady 01 jona tokona ho tamin’ny mitatao vovonana dia trano hazo niisa 4 no may tao Ambalavato tsy lavitra ny SMIA. Tsy tao an-trano ny olon-dehibe raha ny fanazavana nomen’ireo niharam-boina fa ankizy no nikarakara sakafo tao. Efa nidedaka ny afo vao taitra ny rehetra ka nifamonjena, saingy haingana ny fihitaran’ny afo amin’ny mahatrano hazo azy. Ny tao amin’ny trano izay nipoiran’ny afo moa saika tsy nisy noraisina ny entana sy ny fanaka fa ireo nanodidina no nisy voavonjy. Mbola olana hatrany ny famonjena voina ao Antsirabe nohon’ny tsy fananan’ny Fiadidiana ny tanàna fitaovana ka dia fitaoman-drano hatrany no famonjena izany. Tsy nitazam-potsiny moa ny solombavam-bahoaka Jean-François Michel fa nanao vonjy rano vaky avy hatrany ireo fiakaviana miisa 20 izay tsy manan-kialofana ka nanolotra bodofotsy niisa fito sy vary 150 kilao hotsinjaraina isan-tokatrano aloha. Ankoatra izay dia harenina avy hatrany ireo trano hitoeran’ny olona ka 3 andro no nambarany fa hanarenana izany ka hiantohany manontolo ireo hazo sy ny olona hanampy ireo mponina amin’ny fananganana azy. Nisy moa ny fandaminana niaraka tamin’ny Fokontany ka ao amin’ny Hangar ao amin’ny faritry ny tanin’ny Asa vaventy, izay tsy lavitra teo no nametrahana vonjimaika ireo niharam-boina aloha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.