Actualités

Antsirabe Namidy indray ny hazo ao Andraikiba ?


  • Alakamisy 12 Febroary 2015

« Vakiana fotsiny », araka ny fitenin’ny tanora ny gaboraraka ataon’ny mpitantana ny tanànan’Antsirabe. Atao varoboba amin’ny mpandraharaha indray ireo alan’ny kaominina amin’izao fotoana

 

          . Raha ny zava-mitranga eny amin’ny manodidina ny farihin’Andraikiba, ohatra, dia namidy tamina mpandraharaha momba ny ala ireo kesika teny an-toerana raha toa ka miezaka mandrakotra ala izany ny fikambanana maro samihafa. Voaporofo fa an-tsokosoko ny nanomezana ny fahazoan-dalana. Mifanipaka tanteraka ny datin’izany satria ny alakamisy 29 janoary no nomena ilay mpandraharaha ny alalana hanao ny fandrantsanana sy  fanadiovana ireo hazo vaventy. Ny nahagaga anefa dia ny datin’ny 30 janoary ilay mpandraharaha vao nanao taratasy fangatahana fahazoan-dalana hiasa ao amin’ny alan’Andraikiba. Tsy nahazo fahazoan-dalana hikapa hazo izy ireo kanefa dia nanao izany ka nandray andraikitra ny talem-paritry ny ala teny an-toerana nampiato ny asa. Notsipihin'ireo mponina fa ankoatra ny maha endriky ny toerana ireo hazo ireo, dia miaro ny fihotsahan'ny tany hanototra ny farihy ireo hazo ireo satria io no rano mamatsy an’Antsirabe renivohitra. Ankoatra izay dia efa manomboka ihany koa ny fitrandrahana ny ala eny Ivohitra amin’izao fotoana izay ireo fikambanana maro samihafa no namboly izany kanefa dia ny Delegasiona manokana no mivarotra azy amin’izao fotoana raha tsy ampy an-taonany akory no nitoeran’izy ireo teo.


Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT