Asa na misy indray ny hala-jaza na inona loatra fa mirongatra tato ho ato ny fanjavona’ankizy ao Antsirabe. Tato anatin’ny herinandro dia saika ahenoana fitaraina momba izany hatrany ny onjam-peo ao an-toerana ary ny mahagaga dia saika mpianatra ao amin’ny CEG iray ao an-drenivohitra no lasibatra.
Ny herinandro lasa teo dia zazavavy tokony ho 13 taona no nanaovana antso fa tsy hita ary ny alatsinainy 12 mey lasa teo dia zazalahy kely tokony ho 12 taona indray no nanjavona tao amin’io toeram-pianarana io. Raha ny nambaran’ireo ray aman-dreniny dia niala tao an-tranony toy ny mahazatra i Randrianatoandro Gino Jean Jacques antsoina hoe Gino tokony ho tamin’ny 6 ora sy fahefany handeha hianatra ka hatramin’izao alaakmisy 14 mey hariva nanoratana izao dia tsy mbola hita ranamana izay kilasy faha-6 ao amin’ny sekoly.
Rehefa nanotaniana ny tany an-tsekoly dia voalaza fa tsy tonga nianatra io zazalahy io hatramin’izao. Nampandrenesina avy hatrany moa ny mpitandro filaminana ka dia samy efa eo am-pikarohana azy ny rehetra ka ho an’izay manam-baovao momba io zazalahy io dia hiangaviana mba hanmpandre ny mpitandro filaminana ao Antsirabe na hiantso ny laharana 032 44 474 75 na ny 034 19 401 44. Tamin’ny nampalaza ny resaka “Satanika” moa no nahenoana fahaverezan’ankizy maromaro toa izao, ka sao dia miverina indray ary izany ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.