Actualités

Antsenakely-Antsirabe Roalahy nifanindrona antsy noho ny loka 1000 Ar


  • Alakamisy 08 Mey 2014

Tovolahy kely roalahy no nifamaly tao Antsenakely ny alin’ny talata 6 mey lasa teo, izay niafara tamin’ny tsindron’antsy mihitsy ny resaka nony farany.

 Naratra mafy ny iray ary any amin’ny hopitaly ankehitriny. Raha ny tatitry ny manodidina dia tokony ho tamin'ny 9 ora alina io talata io, no nisian'ny fifamaliana teo amin'ireto tovolahy 2 izay voalaza fa samy itony manampinampy olona ao an-tsena itony. Voalaza ihany koa fa efa mamomamon’ny alikaola izy ireo ary nisy loka nifanaovany koa, ka resaka kaonty tsy ampy 1000 Ar no niteraka ny fifamaliana, ka niafara tamin’ny totohondry. Tsy nifarana teo anefa, fa lasa niditra ny tsenan'olona eo akaiky eo ihany ilay tovolahy iray, izay tsena efa iasany matetika ihany io ary naka antsy tao anaty harona iray izy ary nivoaka nitady ilay niady taminy teo.

Mody nantsoiny moramora ilay io ary notaominy hiady aminy lavidavitry ny toerana be olona. Tsy nisy alaharo fa avy hatrany dia notsatohany teo amin'ny tratrany ilay tovolahy. Mbola afa-nitsoaka ihany ity farany ary niantso vonjeo. Ny nahita teo no nitazona avy hatrany ilay nitana antsy, ary nanatitra ilay naratra teny amin'ny hopitaly aloha. Nentina tany amin'ny polisy kosa ilay tovolahy iray izay tsikaritra ho tsy mbola tompon'ny tenany mihitsy noho ny alikaola be loatra tao aminy. Mizotra ny famotorana atao amin'ity mpamono olona ity ankehitriny eo anivon’ny mpitandro ny filaminana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT