Actualités

Antsahamanitra Tsy voapetaka ny «taquet d'arręt», niala maina ny polisy


  • Talata 14 Desambra 2010


Fitaovana vaovao ampiasain’ny polisy monisipaly ny «taquet d'arrêt», karazana farango vy afehy ny kodiarana, tsy ahafahan’ny fiara mihetsika. Ireo fiara tsy manaja ny lalàn’ny fifamoivoizana, indrindra ny fiantsonana etsy sy eroa no asiana azy ity, ho fananarana ny tompony na mpamily azy. Asa anefa izay nanjo ireto polisy tetsy antampom-piakarana Antsahamanitra ny sabotsy 11 desambra teo, fa dia niala maina nanoloana ity fiara Toyota Hilux ana deba iray, nanararaotra niantsona tamin’ny toerana tsy azo ijanonana. Navoaka ny «taquet d'arrêt» nafehy ilay kodiarana. Nandramana avokoa na ny kodiarana teo anoloana na ny teo aoriana saingy tsy nety napetaka ilay fitaovana. Lehibe loatra ny kodiarana raha ny fahitana azy ka tsy voafehy. Niala maina ny polisy, hany hery dia niteny am-bava ny mpamily ary nanome taratasy “contravention” toy ny mahazatra.

Sary : Niala maina ny polisy raha nikasa hametaka “taquet d'arrêt” tamin’ity fiara ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT