Omaly alatsinainy 23 jolay no natao tetsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy ny lanonana fanaovam-beloma ny lehiben’ ny delegasion’ny vondrona eoropeanina eto Madagasikara, Antonio Sanchez-Benedito.
Solontena niasa sy nonina teto nandritra ny 4 taona ary nahatsapa ny tenany fa nisy hatrany ny vokatra tsara tamin’ny fiaraha-miasa na dia nisy foana ny fiovaovan’ny governemanta. Ny fiverenan’ny fanampiana taorian’ny krizy 2009, ny fifanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa tamin’ny novambra 2015 sy ireo tetikasa maro mifandraika amin’ny drafitra nasionalin’ny fampandrosoana dia nanatsara ny toekaren’i Madagasikara. Nanahirana ny fiovaovana nisy teto amin’ny firenena, hoy izy saingy niezaka hatrany ny vondrona eoropeanina nanakaiky ireo olona vaovao notendrena. Nanizingizina ihany koa ity farany fa ilaina ny fitoniana ara-politika sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina hampandrosoana haingana ny toekaren’i Madagasikara. Nosaloran’ny minisitry ny raharaham-bahiny Dovo Eloi Maxime Alphonse ny mariboninahitra « commandeur de l’ordre national » ny tenany noho ny asa vitany teto amin’ny firenena Anio moa i Antonio Sanchez-Benedito no hanainga hihazo an’i Mozambika izay toerana nanirahana azy indray.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.