Miaina araka ny zava-misy ireo voafonja ao amin’ny fonjaben’Antanimora, hoy ny Tale jeneralin’ny fiadidian’ny fonja Ranaivo Andriamaroahina Tovonjanahary.
Misy ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana dia hatsaraina ny momba azy ireo, tsy misy dia miaina amin’ny zava-misy izy ireo. Azo lazaina ho miavaka kosa anefa ireo zazalahy kely tsy ampy taona miisa 91 tazonina ao. Misy hatrany mantsy ireo karazana fikambanana tonga manampy sy manohana ara-tsakafo azy ireo toy ny ONG Grandir Dignement. Nifarana omaly ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity niarahan’ny roa tonta niasa raha efa nanomboka tamin’ny taona 2009 no nifanomezan’izy ireo tanana.
Nisy ny fampirantiana ireo karazana asa tanana nataon’izy 91 lahy teny Antanimora omaly tontolo andro nahitana ireo karazana harona vita amin’ny rofia, poketra. Mbola olan’ireto ankizy ireto moa raha araka ny fanazavana azo ny tsy fahampian’ny efitrano fianarana izay tsy misy afa-tsy roa monja. Eo anelanelan’ny 14 ka hatramin’ny 18 taona izy ireo ka ho an’ireo efa nahefa ny saziny manokana dia misy ny fandefasana azy ireo eny anivon’ireo ONG hafa toy ny ONG Manda etsy Tsiadana, ohatra, hahafahany manohy ny fianarana arak’asa efa norantoviny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.