Actualités

Antanifotsy – Ambohitompoina Lanjaina an-tongotra ny razana, tsy afaky ny fiara ny 45 km


  • Alarobia 25 Febroary 2015

Tsy afaky ny fiara intsony ny 45 km mampitohy ny tanŕnan’Antanifotsy sy ny kaominin’Ambohitompoina noho ny haratsian’ny lalana. Tsy misy afa-tsy ny sarety sy ny bisileta sisa no mitondra ny entana sy ny olona any an-toerana. Teo aloha kely teo dia mbola nisy fiara nampitohy an’ireto kaominina roa ireto ihany saingy lafo dia lafo ny saran-dalana tamin’izany fa teo amin’ny 20.000 na 25.000 ar ary tafakatra hatrany amin’ny 30.000 ar mihitsy aza.

 

 Nisy razana anankiroa avy any Antsirabe sy Antananarivo, hoy ny depiote Randriamampianina Ramilison voafidy tany an-toerana tonga tao Antanifotsy ka saika haterina  tany Ambohitompoina saingy vao teo amin’ny Zandary atsimo kelin’ity tanàna niaingana dia tsy tafita intsony ny 4 x 4 nentinay. Voatery niantsoana vatan-dehilahy avy any Ambohitompoina nilanja an-tongotra an’ireo razana ireo ary ny iray aza voatery nentina borety mihitsy noho ny havesany.  Tamin’ny 1 ora antoandro hatramin’ny 9 ora alina no faharetan’ny dia tamin’izany. Marihina fa vao lany depiote  ny tenako, hoy ny depiote Ramilison, dia efa nampaneno lakolosy ny amin’ny tokony hanamboaran’ny fanjakana ity lalana ity nefa hatramin’izao tsy mbola misy fanamboarana natao. izay voatery mandeha an-tongotra lavitra be ankehitriny. Ankehitriny, ny vahoaka mihitsy no velon-taraina fa tapitra miakatra avokoa ny vidin’entana rehetra any an-toerana noho ity faharatsian’ny lalana ity. Marihina fa mampifandray toerana maro ity lalana Antanifotsy-Ambohitompoina ity fa tonga hatrany Ambatomiady sy Belanitra ary Antsapandrano eny hatrany Marolambo mihitsy aza izay voatery mandeha an-tongotra alavitra be ankehitriny raha zatra nandray fiara tao Ambohitompoina.

 Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT