Tsy afaky ny fiara intsony ny 45 km mampitohy ny tanŕnan’Antanifotsy sy ny kaominin’Ambohitompoina noho ny haratsian’ny lalana. Tsy misy afa-tsy ny sarety sy ny bisileta sisa no mitondra ny entana sy ny olona any an-toerana.
Teo aloha kely teo dia mbola nisy fiara nampitohy an’ireto kaominina roa ireto ihany saingy lafo dia lafo ny saran-dalana tamin’izany fa teo amin’ny 20.000 na 25.000 ar ary tafakatra hatrany amin’ny 30.000 ar mihitsy aza. Nisy razana anankiroa avy any Antsirabe sy Antananarivo, hoy ny depiote Randriamampianina Ramilison voafidy tany an-toerana tonga tao Antanifotsy ka saika haterina tany Ambohitompoina saingy vao teo amin’ny Zandary atsimo kelin’ity tanàna niaingana dia tsy tafita intsony ny 4 x 4 nentinay. Voatery niantsoana vatan-dehilahy avy any Ambohitompoina nilanja an-tongotra an’ireo razana ireo ary ny iray aza voatery nentina borety mihitsy noho ny havesany. Tamin’ny 1 ora antoandro hatramin’ny 9 ora alina no faharetan’ny dia tamin’izany. Marihina fa vao lany depiote ny tenako, hoy ny depiote Ramilison, dia efa nampaneno lakolosy ny amin’ny tokony hanamboaran’ny fanjakana ity lalana ity izay voatery mandeha an-tongotra lavitra be ankehitriny. Ankehitriny, velon-taraina ny vahoaka fa miakatra avokoa ny vidin’entana rehetra any an-toerana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.