Actualités

Antananarivo sy ny manodidina Misedra olana famatsian-drano koa


  • Alakamisy 11 Aogositra 2016

Andro vitsivitsy izay no efa nisedra olana famatsian-drano ireo toerana maromaro eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina.

 

Manomboka amin’ny 6 ora maraina dia efa sarotra ny fahazoan-drano ary tsy miverina amin’ny laoniny raha tsy ora maro aty aoriana. Hita ho mijaly mihitsy ny vahoaka mameno ireo siny mitandahatra lavabe manoloana ny paompy fanovozan-drano. Anisan’ny lasibatra manokana moa ireo vehivavy mpikarama mivelona amin’ny fanasan-damba. Tsy misy azon’ny mpanjifa hatao rahateo anefa afa-tsy ny mitady vahaolana manoloana ny zava-misy toy ny fahatapahan’ny jiro izay efa lasa mandrafitra ny fiainana andavanandron’ny fiarahamonina Malagasy. Fahasimban’ny fitaovana famatsian-drano eny Anosizato no anton’io tsy fahampian’ny fitobaky ny rano io, araka ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny Jiro sy Rano Malagasy. Efa miroso amin’ny fanamboarana izany moa ny orinasam-panjakana ka hiverina tsy ho ela ny famatsian-drano, araka ny fanampim-panazavana.

Nangonin-dRamano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

Hijery ny tohiny
FTT