Actualités

Antananarivo Rotsak’orana 30 minitra dia efa dibo-drano


  • Alatsinainy 07 Janoary 2019

Na dia teo aza ny fanadiovana sy fanamboarana ireo tatatra, orana 30 minitra dia efa maha dibo-drano toerana maro eto Antananarivo Renivohitra.

 

 

 

 

 Lohalaharana amin’izany ny eny Besarety, Andravoahangy…ny lalana eny amin’ny Petite Vitesse, Ampefiloha, Andavamamba, Anatihazo Isotry, Ambodin’Isotry, Soanierana, Ankazomanga, Anosy. Asa izay hitranga rehefa misy orana maharitra andro maromaro. Efa tena sempotry ny trano sy ny tany tototra Antananarivo ka tsy misy lalana ikorianan’ny rano intsony. Mbola ho ela anefa vao volana martsa tena hifaranan’ny toam-pahavaratra .Tsy mbola misy rivodoza ihany koa hatreo aloha fa raha izay no mitranga dia asa fotsiny. Efa rano be tahaka izany ihany koa no tazana amin’ireo faritra mivoaka kely ny renivohitra fotsiny tahaka ny eny Ambodimita, Andranomena, Anosizato, Itaosy, Andoharanofotsy, Ankerana…Mbola resaka hafa ary tena mampatahotra ny mety ho firodanan’ireo trano efa antitra rehefa tratry ny rotsak’orana maharitra. Mila fahamailoana sy fitandremana ho an’ny rehetra ary tokony ho matanjaka ny serasera amam-panentanana ataon’ireo tompon’andraikitra voakasika mivantana tahaka ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny kaominina sy ny sampana mpamonjy voina, ny eny amin’ny fokontany ary ny Bngrc. Fa ny tsirairay sy ny isan-tokantrano, ny mpandeha an-tongotra, ny mitondra bisikilety, moto sy fiara ihany koa dia mila mitandrina sy efa mandray fepetra fa tsy hoe rehefa mitranga ny loza vao miantso vonjy sy hifanome tsiny am-pitoerana eo fotsiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT