Actualités

Antananarivo Mandoa 5 000 Ariary izay tratra mamany an-dalana


  • Alakamisy 15 Mey 2014

Hampihatra ny lalàna amin’izay ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tahaka ny atao amin’ireo mpivarotra toaka tsy mbola manidy tsena aorian’ny 9 ora alina dia iharan’ny sazy koa manomboka izao ireo mandika lalàna rehetra.

 “Efa natomboka ny fanentanana sy fampianarana momba ny lalàna fa tonga izao ny fotoana hampiharana azy amin’izay minia tsy manaja izany na dia misy aza ireo mitsipaka”, hoy i Ndriana Ramamonjy, mpanolotsain’ny PDS Ny Hasina Andriamanjato. Araka izany dia voasazy mandoa onitra 5.000 Ariary ireo mipipy an-dalana na amin’ny toerana be olona. Onitra 2500 Ariary kosa no miandry ireo mifoka amin’ny toerana voarara amin’izany. Mety hiafara amin’ny fanagadrana kosa ny famarotana toaka na sigara amin’ny zaza tsy ampy taona. Mpiasan’ny Kaominina sy ny mpitandro ny filaminana no miara-miasa amin’ny fanatanterahana ny fanaraha-maso. Etsy an-daniny dia mikasa hametraka tsena sy toerana fitobian’ny fiara etsy amin’ny Esplanade koa ny Kaominina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT