Actualités

Antananarivo Avaradrano Nahazo fotodrafitr’asa vaovao 5


  • Alakamisy 26 Jolay 2018

Mila mifanome tanana isika mba hahafahana manaisotra ny firenena amin’ny krizy niainana nandritra ny 50 taona, hoy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fitokanana ireo fotodrafitrasa fototra miisa 5 teny amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano omaly.

 

Mila mandray andraikitra isika tsirairay avy mba handresena ny fahantrana, hoy izy ary ny fananganana fotodrafitrasa tahaka izao no manaporofo fa misikimponitra amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny fitondram-panjakana. Efa vonona ihany koa ny vola hanamboarana ireo lalana rehetra miditra an’Antananarivo ka anisan’izany ny avy eny Sabotsy Namehana. Hanomboka tsy ho ela ny asa, hoy izy. Notokanana omaly moa ny birao vaovao ho an’ny kaominina Anosy Avaratra izay nandaniana 130 tapitrisa ariary. Teo ihany koa toeram-panofanana arak’asa ho an’ny vehivavy ao Antsofinondry ary ny efitrano fianarana vaovao ho an’ny CEG Sabotsy Namehana niampy ampahan-dalana ary toeram-pivarotana ho an’ny tsena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT