Tafakatra 10.000 Ar ny saran-dalana mihazo an’Antsirabe nanomboka omaly alakamisy raha 8.000 Ar teo aloha.
Noho ny hamaroan’ny olona handeha hankalaza ny fetin’ny paska any an-toerana no mahatonga izany. Nitombo avo telo heny amin’ny mahazatra mantsy ireo mpandeha, raha ny fanadihadiana nataonay tetsy amin’ny toby fiantsonana Fasan’ny Karana. Tsy vitsy ireo mitaraina saingy tsy maintsy mandeha. Araka ny vaovao voaray avy any amin’ny sampandraharahan’ny fitaterana an-tanety any Antsirabe anefa dia hiezaka hifehy io saran-dalana io izy ireo na ho an’ireo taksibrosy mandroso izany na ho an’ireo miverina. Mijanona ho 8.000 Ar avokoa ny saran-dalana ho an’ireo vonona ny hiasa, hoy izy ireo. Hatramin’ny omaly anefa dia tsy tanteraka izany. Misy sahy manomboka 12.000 Ar aza ny sasany, vokatry ny fisian’ireo mpanera izay miantso mpandeha eny ivelan’ny toby fiantsonana. Tsara ny manamarika fa efa vonona tanteraka handray ny fetin’ny paska ny renivohitr’i Vakinankaratra amin’izao fotoana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.