Raha tsikaritsika, isan-taona dia toy izao foana no iainana eto amin’ny renivohitr’i Gasikara.
Miampy hatrany ireo mpivarotra amoron-dalana sy mibahana arabe raha toa ka efa nampikaikaika ny maro ny fitohanam-pifamoivoizana sy firongatry ny tsy fandriampahalemana ateraky ny fifanitsahan-kitron’ny mpivarotra sy mpanjifa an-tanàn-dehibe na dia tsy vanim-potoam-pety aza. Ankehitriny dia mitombo avo roa heny izay gaboraraka izay ary tsy ireo mpivarotra ihany no manao ny ataony fa na ireo fiara mpitati-bahoaka koa aza samy manao izay maha diavolana ny sainy avy. Eo amin’ny 6 ora sasany hariva ka hatramin’ny 7 ora dia efa mijanona tsy mandray mpandeha intsony no sady tsy tonga any amin’ny farany koa amin’io. Ny loto eran’ny tanàna moa tsy lazaina intsony, indrindra, tao anatin’ity fitokonan’ny fiovana ity. Satria ve rehefa mitazam-potsiny ny mpitandro ny filaminana dia manjary miitatra any amin’izay gaboraraka izay ilay fitakian-jo ? Dia tsy misy na inona na inona azon’ireo tompon’andraikitra azo atao mihitsy ve fa tazanim-potsiny tahaka ny tany nalavoana ny loto sy ny korontana. Ary ny tsirairay na mpivarotra io na mpanjifa dia tsy mba mety tonga saina mihitsy ve fa mifaninana manary fako eny an-dalambe amin’ny fotoana rehetra. Atomboka amin’ny isam-batan’olona ny fanovana fa tsy tokony hiandry fahagagana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.