Actualités

Antalaha Rendrika ilay sambobe « Masoala Barge »


  • Sabotsy 08 Septambra 2018

Sambo roa izy ireo no niainga avy tany Toamasina fa nony tonga teny afovoan-dranomasina dia nisy fahasimbana ka nikatso ilay sambo lehibe « Masoala Barge » izay nitondra entana maro toy ny fiara, moto, bisikileta, sakafo, zava-pisotro, ...

 

 

 ka voatery notarihin’ny sambo kely atao hoe : « Patricka ». Ny tolakandron’ny alakamisy teo, raha efa iny akaiky ny morontsiraka Antalaha hihazo ny seranan-tsambo iny ireto sambo nifampitarika ireto dia nisy rivotra tampoka ka tapaka ary votsotra ilay fisarihana ka lasa nidofotra tany ilay sambo « Masoala Barge » ary rendrika, fa ny sambo « Patricka » kosa avotra. Tsy nisy aina nafoy. Nanomboka omaly ny fanesorana ny entana mbola azo avotana ao anatin’ilay sambo, aorian’izay vao misintona ilay sambo rendrika hamonjy ny seranana. Telo andro eo amin’ny ankapoben’ny no faharetan’ny dian’ny sambo avy ao Toamasina hatrao Antalaha fa noho ny olana teknika nahazo azy ireo tao no nampisy fahataran’ny fahatongavany tao Antalaha, izay tafita vao rendrika.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT