Actualités

ANS Ampefiloha Misy traboina “fantôme”


  • Alatsinainy 09 Febroary 2015

Hitrangan-javatra toy ny tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra eny anivon’ireo traboina avy etsy La reunion kely mitoby ao amin’ny kianja mitafon’ny ANS ampefiloha, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina ny zoma teo tetsy amin’ny

 

tranompokonolona Isotry, fa mitombo isa ho azy ireo traboina eny an-toerana. Tsy hoe tena tratran’ny fiakaran’ny rano vavao izy ireo fa fianakavian’ny sasantsasany amin’ireo traboina efa teo ka nohafarana avy any ambanivohitra mihitsy mba hisitraka miaraka amin’izy ireo ny fanampiana homen’ny fanjakana sy ireo malala-tanana. Traboina mpisoloky raha ny marina. Fantatra mantsy fa ankoatra ny sakafo dia mahazo fitaovan-dakozia sy firakotra ary akanjo koa ireto traboina ireto ka ny tsy fananan’ny avy any ambanivohitra indrindra an’ireo fitaovana ireo no mahatonga azy ho milahatra amin’ny traboina araka ny voalaza teo. Efa misy fepetra raisina amin’izany, hoy Atoa Jean Nirina, amin’ny fanamarinana marina ireo tena traboina satria anananay ny lisitr’izy ireo. Tsy maintsy ho esorina etsy amin’ny toerana nisy azy teo aloha etsy La reunion kely ireo traboina ireo, hoy ity filohan’ny Hafari ity, ka ny zoma 6 febroary dia efa nisy andiany voalohany. Nanodidina ny 20 latsaka kely teo, nalefa nody any aminy satria manana tanindrazana hipetrahana any ambanivohitra izy ireo saingy ny hoenti-manana hetsehana sy hodiana no tsy eo an-tanany ka nomena izany izy ireo ary nividianana tapakila nivantana handehanany taksiborosy mihitsy. Nohamafisin’ny solontenan’ny kaominina CUA, Rakotonanahary Dranto, fa tena vonona hiala amin’ny toerana misy azy sy ny fahoriana mianjady aminy ireto mponina etsy La reunion kely ireto fa niahiahy kely fotsiny amin’izay hataon’izy ireo amin’ny ho avy. Mahavelom-bolo koa, hoy izy, fa efa tena misy mpandraharaha vonona ny hanampy azy ireo hihoitra ka efa tonga nifampiresaka teto Isotry koa anio. Tsy maintsy atao miandalana ny dingana amin’ny fanavotana ireto mpiray tanindrazana ireto ary hiarahan’ny rehetra mifanampy izany ka amin’ny dingana faharoa dia hojerena  ireo manana fahaizana manokana amin’ny zaitra sy fanaovana taozavatra Malagasy hiaraka hiasa amin’ireo mpivarotra “Art Malagasy” etsy amin’ny Coum 67 ha. Ny dingana manaraka indray dia ny handehanan’ireo mahay mananga-trano sy mahay “maçon” vonona hifindra monina any amin’ny tanàna Soaniedanana ¨PK 67 RN 4 izay hanatanterahan’ny Hafari ny tetikasa “Exode urbain”. Ny sabotsy teo moa ny mpikambana Hafari notarihan’ny filohany sy ireo mpiara-miombon’antoka toa  ny RNDC sy ny orianasa Domaine Fiavo dia niara-niroana nitondra ny tsirambin’ny tanana tetsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy-Ampefiloha hoan’ireo tra-boina sy kere manerana ny Nosy.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT