Natao ny zoma 31 desambra 2010, ihany rehefa nihemo-dava, ny fanadihadiana lalina natao ny lietnŕ-kolonely Charles Andrianasoavina. Izy no nanakatona ny andiana fanadihadiana tao amin’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana mikasika ny raharaha BANI.
Voahaja araka izany ny baikon’ny ministry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine, ny amin’ny hamitana ny fanadihadiana momba iny raharaha iny tamin’iny taona 2010 nivalona iny. Tamin’ny valo ora sy sasany maraina dia efa nigadona teny Anosy ny fiaraben’ny fandraharahana ny fonja, nitondra ny kly Charles, irery, avy any Tsiafahy. Avy hatrany dia namantana tany amin’ny biraon’ny sojaben’ny mpitsara mpanao famotorana izy nohadihadiana. Naharitra ora dimy teo izany, satria tsy nifarana raha tsy tany amin’ny mitatao vovonana mahery. Nandritra izany dia tazana nivezivezy teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana ny olon’ny FIS. Nisy tamin’izy ireo aza no tafiditra hatrany an-dalatsara mihazo ny biraon’ny zokiolona amin’ny mpitsara manao famotorana any. Tsy fantatra mazava ny tena anton-dian’izy ireo tao na izany aza nandeha ny feo fa efa nisy olon’izy ireo koa tonga tany Tsiafahy ny omalin’io, izany hoe, ny alakamisy 30 desambra 2010.
Gazety mpivoaka isan’andro no nitatitra io zoma 31 desambra io fa mandà ny hanomezana azy LP, fahafahana vonjimaika, ny kly Charles fa toa nisy fampanantenana azy an’izany angamba izany tany. Io zoma io indray dia mbola nitohy ny resaka an-dalatsara fa halefa any Frantsa, hono, ny jeneraly Noël Rakotonandrasana sy ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina. Inona avokoa izany rehetra izany, no toa nipoitra tampokatampoka teo rehefa niely ny feo fa hanao ampamoaka mikasika ny raharaha 2009 rehetra ny kly Charles ? Izany ve no nahatongavan’ireto olon’ny FIS ireto teny Anosy ? Mbola tsy mikatona rahateo iny dosie iny. Ary mety ho izany angamba no nahatonga ny fangalampiery tao tamin’iny andro zoma iny. Araka ny fantatra mantsy dia nasaina niala teny manodidina ny FIS sy ny fiarany.
Rehefa izay dia navoaka mangingina tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana tsy natao hita-bahoaka ihany koa ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina rehefa vita ny famotorana azy. Fiara tsotra, Renault Express, no niandry teo amin’ny varavarana amin’ny ilany andrefan’ny Lapa, mifanila amin’ny RNM, ka nitondrana azy niala ny toerana raha toa ka efa nampanantonina varavarambe taty anoloan’ny Lapan’ny Fitsarana, mifanila amin’ny ministeran’ny fitaterana ny fiaraben’ny fonja. Nanomboka tomefy olona rahateo koa teo. Ao ireo fianakaviany tonga hankahery azy, ao ireo olon-tsotra liana te hahita maso sy handre azy koa. Tazana teny ny rév Andrianalijohn Andriamanampy, izay hany filohan’antoko tazana, tsikaritra ihany koa ny Dr Julien, avy amin’ny Ankolafy Zafy Albert. Saingy sasa-niandry teo ireo, fa ny fiara nitondra azy efa nihazo ny moron’Anosy amin’ny ilany avaratra vao nihodina namonjy an’Anosy ary dia nanaraka avy aty aoriana ny fiaraben’ny fonja.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.