Komitim-pokontany iray no voatondro ho nidaroka ka nahavaky lohan'ny raim-pianakaviana iray ny faran’ny herinandro lasa teo iny tetsy Anosizato atsinanana. Raha ny fantatra dia mamo ity komitim-pokontany ity ka nila vaniny tamin’ny olona sendra azy. Nitory ilay naratra ka nisy ny fampiantsoana teny amin’ny mpitandro ny filaminana.
Nisy ny raharaham-pihavanana ka nanaiky ny hitsabo ilay nidaroka. Rehefa tonga anefa ny fotoana tokony ho nanaovana fitsaboana sy skanera ilay naratra dia tsy nipoitra intsony izy. Taty aoriana dia mbola nanao vava ary nandrahona indray ilay nikasi-tanana ka namerina nametraka fitoriana ilay raim-pianakaviana. Raha ny fantatra anefa dia lasa nitsoaka ilay voarohirohy. Efa misy ny fepetra noraisina mahakasika izay, hoy ireo mpitandro ny filaminana.
Tojo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.