Actualités

Anosipatrana Fiara 4x4 nitsoraka tao Ikopa


  • Talata 22 Aprily 2014


 Tsy nampino ny zava-nitranga teny amin’ny digin’Anosipatrana ampitan’ny fanasana fiara ny alahady hifoha ny alatsinain’ny paska tokony ho tamin’ny 1ora 30 maraina. Nilatsaka tao anaty rano ny fiara tsy mataho-dalana iray avy any Ampasika hihazo an’Anosizato. Vato be sy kisilasila anefa no teo anelanelany. Raha ny fijery azy ety ivelany dia tokony hivadibadika ilay fiara. Olona dimy no tao anatiny, vehivavy ny roa. Ilay vehivavy iray no nisy kiaka ny handriny fa ny ankoatra izay tsy naninona. Raha ny filazan’ilay mpamily dia avy nisotrosotro izy ireo ary nandeha mafy nefa tsy dia za-dalana eto an-drenivohitra. Efa nalaina tao ilay fiara omaly antoandro.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT