Actualités

Anosibe-Anosy-Mahamasina Tena maloto, nodiovina tanteraka


  • Talata 17 Jolay 2018

Anisan’ny faritra tena maloto ny eny Mahamasina, Anosy ary Anosibe raha oharina amin’ireo faritra hafa eto an-drenivohitra.

Ho an’i Mahamasina dia efa lasa toerana fanaovana maloto indray ny sisin’ilay zaridaina tsara tarehy vao avy namboarina tsy ela, toy izay koa ilay “ilos” manoloana ny tranoben’ny Antenimieram-pirenena eo Anosy. Lasa toerana fanaovan’ireo mpatory an-dalana maloto koa izy iny  ka tsy hifankahitana intsony ny lalitra sy ny fofona miparitaka eny an-toerana rehefa mandalo eny. Ao koa ny eny Anosibe izay zary lasa fanarian’ny olona maloto avokoa ny tata-drano rehetra ka rehefa fotoam-pahavaratra dia mitsingevana eny amin’ny arabe. Mba ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny mponina eto Antananarivo ary dia nidina nanao asa fanadiovana faobe teny an-toerana ny kaominina Antananarivo Renivohitra omaly, notronin’ny ekipa mpanadio eo anivon’ny  boriborintany fahefatra ary ny ESA (Equipe Spécialisée en Assainissement). Naharitra ora telo teo no nanaovana ny asa, narahin’ny fanentanana ireo mponina teny amin’ny manodidina mba hahay hitandro ny fahadiovana. Mbola fanentanana sy fampianarana moa no nataon’ny kaominina tamin’izany izay inoana fa mety hiafara amin’ny fanasaziana ihany mba hahafahana manova ny toe-tsain’ny tsirairay.

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT