Actualités

Ankoririka - Morarano Chrome Tany 184 ha bodoin’olon-tokana


  • Alarobia 07 Mey 2014

Niantso ireo raiamandrenin’ny tanŕna sy solontenam-panjakana ny vahoaka ao Ankoririka sy manodidina nanajary ny tany “Périmčtre de colonisation” mirefy 184ha ny faran’ny herinandro teo.

 Mitaraina izy ireo fa lasan’olon-tokana mpanambola ny tanin’izy ireo ary izay mba mijoro manohitra izany dia iharan’ny herisetra sy fandrahonana hogadraina. Maty ho azy tsy misy mpikarakara ireo mananasy fototry ny fihariana, hoy hatrany izy ireo, noho ny fampitahorana fanagadrana ireo nikarakara azy. Nambaran’izy ireo fa izany Rafano sy Randrianekena razambe izany no efa nanajary io tany io efa tamin’ny taona 1878 ary mbola misoratra amin’izy ireo ny tany.

Lasa haolo ny tanàna noho ny tahotra ny tanàna. Voakapakapa fahatany ireo hazo efa lova hatramin’izay ka nataon’ilay mpanambola fefin’ny renirano lasa niompiany trondro nefa natao hisotroan’ny omby rano sy fanasan’ny olona lamba fahiny. Haolo koa ny trano niompiana kisoa sy omby fahiny ary vao tsy ela akory izay dia noravan’ity olona ity ny trano roa (PSDR fahiny) ary nokapainy niaraka tamin’izany irao hazo “Acacia” nantenain’ny mponina mbola hivelomana atsy ho atsy. Nifamotoana teo amin’ity toerana farany ity avokoa moa ireo niharam-boina rehetra ary tapitra nijoro vavolombelona tamin’ny nahazo azy avy.

Nilaza ny tsy handefitra manana ny rariny anefa ireto mponina mahatsiaro iharan’ny tsy rariny ireto ka nanao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mahefa hitondra vahaolana. Aoka mba hampanjaka ny marina sy hitsiny araka ny lokaloka natao ianao Atoa Filoha Rajaonarimampianina sy Atoa Praiminisitra Kolo Roger, hoy izy ireo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT