Actualités

Ankoba Ambinanikely-Tolagnaro Ankizy 3 natelin'ny ranomasina, avotra ny 2, tsy hita ny iray


  • Talata 24 Febroary 2015

Manomboka masiaka ny ranomasina ao Ankoba Ambinanikely any Taolagnaro amin'izao fotoana izao. Ankizy 3 mianadahy indray no natelin'ny ranomasina ny alahady tolakandro teo.

 Raha sendra nilalao teo amoron-driaka ireo ankizy maro be no nisitaka lavidavitra ny ranomasina. Variana ny seho toy izany ireo mpitsangantsangana. Tao anatin'izany no nohararaotin'ireto kilonga ireto nilalao lavidavitra teny amoron-dranomasina. Tampoka teo, nalentiky ny onjan-dranomasina ireo kilonga telo ireo. Ny roa avotra soa aman-tsara izay mbola manaraka ny fitsaboana ao amin'ny hopitaly Philibert Tsiranana Amboanato. Ny iray lahy kely, tsy mbola hita fa eo am-pitadiavana azy ny mponina. Marihina fa saika maka olona ity torapasiky Ambinanikely Ankoba ity isan-taona. Mitaona ny mpitsangantsangana mba ho mailo ny sehon-javatra toy izany.

 

OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT