Actualités

Ankizy maty teny Alakamisy Nisy poizina «arsenic» ilay vatomamy


  • Alarobia 15 Desambra 2010

Araka ny voalazan’ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fahasalamana, Pr Rakotomanga Jean de Dieu, dia misy poizina mahery vaika antsoina hoe «arsenic» ilay vatomamy nohanin’ilay ankizy vao efa-taona ka nitarika fahafatesan’ity farany.

Talohan’ity dia nisy tranga vitsivitsy toy ny tamin’ny 27 novambra ka nankarary mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina eo Amparibe miisa dimy, zaza iray ihany koa no narary teny Anosibe ny 30 novambra, 29 hafa tany Tsitroanomandidy ny 10 desambra saingy nampalahelo fa namoizana zaza iray, efa-taona eo, ity teny Alakamisy ny 12 desambra ity. Ny mpanara-baovao dia nahatsikaritra fa haingana dia haingana ny valin’ity fitiliana ilay vatomamy teny Alakamisy ity. Vao tamin’ny alahady mantsy no nitranga ity toe-javatra nefa izao sahady dia fantatra ny valiny. Ny onjapeo akaiky ny fitondrana dia nanitrikitrika fa ny avy amin’ny firehana telo no nanao izao zava-doza izao. Rehefa tsy voafehin’izy ireo ny firenena dia manilika izany any amin’ny mpanohitra no atao. Fomban-javatra ihany izany satria tahaka ny lanonana natao tamin’ny sabotsy ihany izany. Alefa mialoha ny filazana fa hisy ny hanakorontana. Entina hanamarinan-tena sahady amin’izay fikarakarana tsy tomombana. Dia olona mamo toaka no nosamborina ary lazaina fa mpampihorohoro. Ny olona mamo anefa tsy misy tsy mahalala fa misy foana rehefa misy ny fety atao. Tsy mahagaga ! 

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT