Actualités

Ankitifitifitra teny Itaosy Nisy nanafika ny DG Media Consulting


  • Alatsinainy 10 Janoary 2011

Nandritra ny 30 minitra raha kely indrindra no nisy fifampitifirana teny Ambodifasika-Itaosy, ny sabotsy teo tokony tamin'ny 11 ora alina.

Jiolahy dimy no nanafika ka ny efatra izay nitondra basy «kalachnikov» no niditra tao an-trano fa ny iray kosa nijanona teo ivelany. Nasian'ireo jiolahy tohatra ny tamboho avo dia avon'ilay tranon’ny, Tale jeneralin'ny orinasa Media Consulting. Vao niakatra izy ireo dia tsikaritr'ireo mpiambina. Nalefan'ireo mpiambina ny «alarme» ka taitra ny teo amin'ny manodidina. Tsy nisy nahasahy nivoaka anefa izy ireo satria avy hatrany dia nitifitra ireo jiolahy no sady nihantsy ireo mponina mihitsy. Olona vitsivitsy niandry faty tsy lavitra ilay trano no nahasahy nanatona. Nisy nampandre kosa anefa ny polisy teny Itaosy. Tonga teny an-toerana ny polisy miisa telo ary nifanehitra tamin'ireo jiolahy. Namaly tifitra ihany koa ireo jiolahy raha vao nahita ireo polisy.

Tamin'io fotoana io efa tafiditra tao amin'ny efitra misy ny tompontrano ireo jiolahy, ary nandrahona ny tao. Vola an-tapitrisany miampy firavaka volamena maromaro, ordinatera finday, finday lafovidy ary entana sarobidy vitsivitsy no lasan'ireo jiolahy. Nitsambikina teo amin'ny varavarankelin'ilay efitra nisy ireo tompon-trano ireo jiolahy rehefa nahazo izay ilainy. Nihazo avy hatrany ny tanimbary izy ireo ka niala maina ireo polisy izay niandry teo amin'ny vavahady. Araka ny loharanom-baovao dia niantso ny Emmo-Reg ny tompon-trano saingy efa lasa ireo jiolahy vao tonga teny an-toerana izy ireo. Taim-bala-na «kalachnikov» 8 no hita tao anatin'ilay trano ary 11 kosa no taty ivelany. Ankoatra izay dia nisy olona telo no naratra voatifitry ny bala. 

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT