Actualités

Ankazomiriotra Naiditra am-ponja ilay mpanampy nanolana zaza


  • Alarobia 18 Janoary 2023

Ilay mpanampilahiny tao an-trano ihany no fantatra fa nahavita nanolana ilay zazavavy kely vao 10 taona monja tao Ankazomiriotra.

Tao anaty tambajotran-tserasera no nahazoan’ny zandarimariam-pirenena ao Vakinankaratra ny fitarainana mifandraika amin’izany tamin’ny alakamisy alina lasa teo. Tamin’ny zoma maraina teo ihany dia efa nidina ifotony teny amin'ny toerana voatondro ny zandary avy ao amin'ny tobim-paritra Ankazomiriotra nanaporofo ny fahamarinan'ilay fitarainana.Nosokafana ny fanadihadiana araka izany, nataon'ny mpitsabo ny fizahana, natao ny famotorana ka voaporofo tokoa fa simba ilay zaza. Tsy niandry ela fa tamin’ny alatsinainy 16 janoary teo ihany dia natolotra ny fitsarana ny raharaha ka dia naiditra am-ponja vonjimaika ilay tovolahy. Mila mailo hatrany ny manan-janaka vavy rehetra araka izany manoloana ireny karazana tovolahy mivezivezy ao an-tokantrano ireny. Efa tena miharatsy mantsy ny fiainana.
Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT