Nitrangana halatra omby roa samihafa tany amin’ny manodidina an’Ankavandra ny 12 aprily teo. Ny iray tao Andabomadinika nahitana dahalo 16 mirongo basy nandroba omby miisa 60. Ny faharoa kosa tao Antsakoabe, Kaominina Betsipolitra ka dahalo valo mitondra basim-borona no nangalatra omby miisa 50. Nitambatra ireo dian’omby roa ireo nandalo ny kizon’Ambilorano, Kaominina Ankavandra nefa efa tsara toerana mialoha tao ireo zandary mpiandry kizo. Raikitra ny fifampitifirana ka dahalo iray maty raha vaky nandositra kosa ny sisa. Azo ny omby ankoatra ireo novonoin’ny dahalo sy ny nisara-dalana tamin’ny namany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.