Actualités

Ankatso Ministra FAT roa tonga namono afo


  • Alarobia 15 Desambra 2010


Nigadona tampoka teny Ankatso ny ministra Hajo Andrianainarivelo sy Tongavelo Athanase omaly mba hitokana toerana fanaovam-pety iray, izay nandaniana 100 tapitrisa ariary teo. Raha ny marina anefa dia tsy izany velively ny anton-dian’ireo fa kosa ny hamono afo eo amin’ireo mpianatra izay mikasa ny hiady an-trano taorian’ny fandorana velona ny havan’ny mpianatra tavaratra iray. Nanentana ireo mpianatra ny mba tsy hiady izy ireo ary nanambitamby ny andaniny sy ny ankilany tao anatin’izay fidinana an-tsehatra izay. Mihahenjana hatrany ny tady eny Ankatso 2 momba iny raharaha iny saingy mba tsy mbola mipoaka aloha hatreto ny sarom-bilany. Na izany aza dia tsikaritra fa toa efa mifampiandriandry hatrany ny eny an-toerana. Efa nisy aza, noho ny tahotra fa sao dia hisy tampoka ny fanafihana, no niala tao amin’ny trano hipetrahany. Efa misy “bloc” hataon’ny sasany lasibatra rahateo, raha araka ny feo mandeha, mba hanaovany valifaty. 

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT