Actualités

Ankatso : Doro olona velona Ahiana hivadika adim-poko


  • Talata 14 Desambra 2010


Mafanafana indray eny Ankatso hatramin’ny faramparan’ny herinandro teo. Raha araka ny fantatra mantsy dia mifamorivory ireo mpianatra izay mitovy fiaviana. Tonga hatreny amin’ny mpitandro ny filaminana aza ny vaovao omaly. Anisan’izany ny hoe tsy faly ry zareo avy any Avaratra taorian’ny fandorana velona ny iray tamin’izy ireo. Ireo mpianatra avy any Diégo sy Ambanja no nifandray tendro ary mivory matetitetika, raha araka ny vaovao azo. Efa fantatr’izy ireo ny fiavian’ireo tena nandray anjara tamin’ny fandorana ilay olona. Nofantariny hatramin’ny «bloc» izay misy azy ireo ary ankehitriny dia ahiana ny mety hanafihan’ireo mpianatra io toerana io. Efa arahin’ny mpitandro ny filaminana maso anefa ny toe-draharaha ka inoana fa tsy ho tonga amin’izany loatra. Lasa fanao eny Ankatso ny fandorana olona velona, raha vao misy ny fanahiana fa mpangalatra io. Fanao ratsy izay lasa manome endrika ratsy ihany koa ny oniversite izay natao hanovozana fahalalana sy famolavolana olom-banona. Kanefa dia fanao efa tamin’ny andro fahagola no miverina…

 r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT