Taorian'ny fandravana trano teny Nanisana izay namoizana ain'olona iray dia raikitra indray ny fandravana trano omaly tetsy Ankadimbahoaka. Lasan'ny Karana mantsy ny tany ka fianakaviana 21 tafo no tsy maintsy alana amin'ny tany izay efa nohajariany nandritra ny 80 taona ho an'ny sasany.
Omaly maraina no nanomboka ny asa fandrodanana nampiasana ireny bildozera be ireny ka fianakaviana valo trano teo ho eo no efa lasibatra nanomboka tamin'ny 6 ora maraina. Tezitra ny olona ka nanao barazy tamin’ny lalam-pirenena faha-7 sady nilanja sorabaventy. Tsy naharitra ela anefa izany satria nanao be fiavy ny mpitandro ny filaminana avy amin'ny Emmo-Reg tamina kamiao be miisa roa nanipy baomba mandatsa-dranomaso nanaparitaka ireo olona ireo. Niezaka ny niaro ny tranony mantsy ireo fianakaviana ireo. Vokany, tsy vitsy ireo tratry ny aretin'andoha tsy fidiny, teo ihany koa ireo very vola. Natsipy teny ivelan'ny trano avokoa mantsy ny entan'izy ireo, fianakaviana izay tsy manan-kisitrihana nanomboka omaly.
Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ny solombavambahoaka isany, Rakotomanjato Rodin (Arivonimamo) mpifanolo-bodirindrina amin’ireo noravana trano, Randriamandimbisoa Félix (Boriborintany IV), Rossy (Boriborintany IV) ary Naivo Raholdina (Boriborintany V) nijery ifotony ny zava-nisy sady nampahery ireo rava trano, ary nanolotra fanampiana ho azy ireo. Fantatra tamin'izany moa fa lasan'ny Karana tompon'ny orinasa indray ny tany, ka toy ny atody miady amam-bato ihany ireo vahoaka tsy manan-tsiny ireo. Tsara ny manamarika fa narodana omaly ihany koa ilay trano misy doany ao amin'ity Fokontany ity saingy tsy nihontsona ka najanona. Ny biraon’ny Fokontany no nanamparan’ny Fokonolona ny hatezerany, ka potika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.