Actualités

Angovo nokleary Vahaolana amin’ny delestazy


  • Alarobia 11 Febroary 2015

Zavatra ratsy foana no tonga ao an-tsaina raha vao miresaka angovo nokleary. Maro anefa ny vokatra tsara azo avy amin’ny fikarohana ara-nokleary. Anisan’izany ny fikarohana eo

 

amin’ny lafiny mahakasika ny fahasalamana dia ny fampiasana ny nokleary iadiana amin’ny homamiadana. Mahakasika ny fiainana andavanandron’ny mponina tahaka ny sakafo fihinana toy ny vary na ny voanjo na koa ny fanadiovana rivotra maloto eto Antananarivo ihany koa ny fikarohana nokleary, hoy ny profesora Andriambololona Raoelina. Efa am-polony taona maro no niadian-kevitra, ohatra, ny famatsiana herinaratra miainga avy amin’ny angovo nokleary eto Madagasikara saingy tsy nomen-danja loatra izany, hoy ny tale jeneralin’ny «Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires». Iainantsika moa ankehitriny ny olana amin’ny fiankinan-doha amin’ny solika sy ny rano izay mety ho ritra. Nampahatsiahy ary nanamafy anefa ity mpampianatra mpikaroka manampahaizana malagasy ity fa vahaolana maharitra amin’ny delestazy ny fampiasana angovo nokleary izay hananantsika betsaka eto amin’ny firenena.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT