Actualités

Andry Herizo Rakotozafy Nodimandry omaly


  • Alakamisy 20 Septambra 2018

Nodimandry omaly alarobia 19 septambra i Andry Herizo Rakotozafy, mpiara-miasa akaiky amin’ny praiminisitra Ntsay Christian, avy eo voatendry ho talen’ny kabinetra ny fiandohan’ny volana jona.

 Nosoloina anefa izy satria voalaza fa tsy mety fa izy talen’ny kabinetra eo anivon’ny primatiora, ny reniny anefa, Ramatoa Christine Razanamahasoa, minisitra ao anatin’ny governemanta. I Andry Herizo Rakotozafy ihany koa no “Mandataire” an’ny kandida Andry Nirina Rajoelina ary nametraka ny antontan-taratasin’ity kandida ity teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny 1 aogositra lasa teo. Samy taitra tamin’izao fahalasanana tampoka izao ireo olona mahalala sy mpifanerasera tamin’itompokolahy. Noho ny hafenoan-drano be loatra dia tsy mbola nahazoana fanazavana fanampiny ny avy amin’ny fianakaviana na maty tampoka izy na efa narary fotoana naharitra na koa niharan-doza. Miandry kosa ny mety ho fanambarana ofisialy ny rehetra satria olona manana ny maha izy azy ao anatin’izao zotram-pifidianana tanterahana eto Madagasikara izao noho ny maha “Mandataire’’ na kandida azy i Andry Herizo Rakotozafy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT