Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly alarobia 18 febroary, haharitra telo andro ny andron’ny sekoly ho antsika eto Madagasikara
. Niavaka tsy toy ny mahazatra ny fankalazana ho antsika teto an-drenivohitra manokana. Ankoatra ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izay mpiahy sy mpikarakara mivantana ny hetsika mantsy dia niarahany tamin’ny fandaharan’asa « Kid’s Athletic’s » izany, tao anatin’ilay lohahevitra hoe : « hetsika school ts’Aina ». Fandaharan’asa manofana ny ankizy amin’ny fanatanjahantena hazakazaka lavitr’ezaka izy io, lanonana notanterahina tetsy amin’ny Stade municipal Alarobia. Tanjona ny hahatanteraka ilay fomba fiteny hoe : ao anatin’ny vatana salama sy tomady no misy ny saina matsilo ankoatra ny hoe : afaka folo taona dia mpianatra avy eto Madagasikara novolavolaina tamin’ity taranja ara-panatanjahantena iray no handray anjara amin’ny jeux olympiques … Hitohy amin’ny fanadiovana ny isan-tsekoly izany anio raha hofaranana amin’ny fambolen-kazo kosa rahampitso. Mpianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra miankina sy tsy miankina an-jatony no tonga nandray anjara tamin’izany, avy amina sekoly 82 isa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.