Hanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny PARAMED ireo mpitsabo mpanampy ao Ambositra anio zoma 09 mey 2014.
Toy ny isan-taona dia andro iraisam-pirenena ho an’ny “sage-femme” ny 5 mey, raha andro iraisam-pirenena ho an’ny “Infirmier” ny 12 mey. Natambatra ho andro iray ny fanamarihana ao Ambositra tamin’ity taona ity, ka hetsika ara-tsosialy toy ny famoran-jaza faobe sy CPN na “consultation Pré-natale” ary fitiliana ny ra ho fisorohana ny VIH/Sida samy maimaimpoana avokoa no hanamarihan’ireto PARAMED ireto ity andro ity. Tsy fotoana fitakian-jo toy ny nahafantarana ny PARAMED no hataon’ireo ao Ambositra. Ny hetsika rehetra dia tontosaina ao amin’ny CSBII Volafotsy Ambositra avokoa. Alim-pandihizana no hamaranana ny fankalazana anio zoma ao Antamponivinany ka ny ampaham-bola azo dia harotsak’ireo PARAMED ho an’ny fikarakarana ireo marary miditra hopitaly. Mahatratra 70 mianadahy amin’izao fotoana izao ireo PARAMED ao Ambositra izay efa mivondrona ao anatin’ny fikambanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.