Actualités

Andro iraisam-pirenena ho an'ny marary Fitsaboana maimaimpoana eny Analamahitsy


  • Alakamisy 12 Febroary 2015

Fitsaboana maimaimpoana nanomboka omaly haharitra telo andro no entin'ny Centre Medical Marie Stella etsy Analamahitsy hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny marary. Ivontoeram-pitsaboana

 mitsabo ny aretina rehetra amin'ny alalan'ny spiruline izy io izay teny amin'ny dispensaire Ekar Antanimena no nisy azy teo aloha. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana raha ny fanazavan'ny lehiben'ny dokotera ao an-toerana Feziny Séraphine, dia misy ihany koa ny fanomezana spiruline maimaimpoana ireo marary, asa soa efa niantsorohan'izy ireo hatramin'izay, tsy hanavahana na olon-dehibe na zaza. Nifanindran-dalana tamin'ny hetsika omaly ny fanokanana tamim-pomba ôfisialy ny ivon-toerana. Nampiavaka azy tamin'ny teo aloha ny fisian'ny efitrano maromaro handraisana ny marary, raha toraka izany koa ny toerana hahafahan'ireto farany miandry. Na izany aza anefa mbola tsy manana efitrano fandidiana kosa izy ireo saingy nambaran'ny dokotera Feziny Séraphine hatrany fa azon'izy ireo hatao tsara ny miara-miasa amin'ireo dokotera manana traikefa amin'izany.

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT