Actualités

Andriatsima Ravelo Heriniaina Tena ilaina ny fahalalahana sy fahaleovantenan’ny fitsarana


  • Zoma 13 Febroary 2015

Mahatonga adihevitra eny anivon’ny fiarahamonina ny sehatry ny fitsarana eto Madagasikara tao anatin’ny taona vitsivitsy izay. Voaporofo tamin’ny fanadihadiana natao fa tsy mahatoky ny fitsarana intsony ny ampahany betsaka amin’ny Malagasy. Singa iray eo anivon’ny fitsarana ny Antenimieran’ny vadintany sy kaomisera mpanao lavanty eto Madagasikara. Vahinin’ny gazety Tia Tanindrazana anio ny filohan’ity fikambanana ity maître Andriatsima Ravelo Heriniaina. Resadresaka.


Tia Tanindrazana (TT) : Ahoana no azo hamaritana ny antsoina hoe "huissier de justice sy ny commissaire priseur"?

Andriatsima Ravelo Heriniaina (ARH) : Ny Vadintany na “Huissier de Justice” dia « Officier Ministériel » tendren’ny Minisitry ny Fitsarana amin’ny alalan’ny didim-pitondrana na “Arrêté” rehefa afaka tamin’ny fifaninanana karakarain’ny Minisiteran’ny Fitsarana, hanao ny asa Fampahafantarana didim-pitsarana (Signification), hampiantso olona hiseho Fitsarana (Assignation), hanatanteraka ny asa sy ny andraikitra maha “Huissier de Justice Audiencier”, indrindra ny fanatanterahana Didim-pitsarana. Ny Minisitera ihany no manendry azy ireo hiasa any amin’ny faritra misy Fitsarana Ambaratonga Voalohany miparitaka manerana ny Nosy. Ny “Commissaire Priseur” kosa dia “Officier Ministériel” ihany koa izay Vadintany ihany saingy efa nahafeno ny fepetra rehetra hahafahany manao ny asa maha “Mpanao Lavanty Ampahibemaso” azy any amin’ny faritra nanendrena azy. Amin’ny alalan’ny didim-pitondrana ihany koa no hanendren’ny Minisiteran’ny Fitsarana azy ireo. Tsy misy afa-tsy Vadintany tompon-toerana iray any amin’ny faritra misy Fitsarana Ambaratonga Voalohany, izay voatendry ihany no hanao ny asan’ny Mpanao Lavanty amin’ny alalàn’ny “Arrêté”.

TT : Azo fantarina ve ireo asa sy andraikitra sahanin'izy ireo ?

ARH : Ny maha samy hafa ny Vadintany sy ny Mpanao Lavanty dia ity farany no natao hanatanteraka ny fanaovana Lavanty Ampahibemaso. Na izany aza anefa dia afaka manao lavanty ampahibemaso ihany ny Vadintany rehefa mahazo alalana avy amin’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eo amin’ny faritra misy azy noho ny antony manokana amin’ny alalan’ny “Ordonnance Sur Requête”, ary dia io Lavanty Ampahibemaso iray io ihany no azony atao amin’izany. Tsy maintsy maka “Ordonnance” vaovao hafa indray izy raha misy Lavanty hafa hataony.

TT : Oviana moa no nitsangana ny Fikambanamben’ny vadintany sy kaomisera mpanao lavanty teto Madagasikara ary aiza ho aiza ireo dingana nolalovany sy ny ezaka efa vita ?

ARH : Tamin’ny taona 1959 no nitsangana voalohany teto Madagasikara ny Fikambanamben’ny Vadintany sy Mpanao Lavanty ary ny Lalàna laharana faha-59-34 tamin’ny 17 avril 1959 no Sata nifehy ny Fikambanana tamin’izany. Nisy tamin’izany ny Vadintany Malagasy sy Frantsay izay mpikambana feno tao anatin’ny “Compagnie des Huissiers de Justice et Commissaires Priseurs de Madagascar”. Tamin’ny taona 2006 kosa vao nisy ny fanovana io Lalàna mifehy ny Fikambanana io dia ny Lalàna n° 2005-034 tamin’ny faha 20 febroary 2006 rehefa nodinihina nandritra ny taona maromaro ihany ny fandrafetana azy izay niainga tamin’ny fampitoviana ny sata mifehy ny Fikambanan’ny Vadintany maneran-tany. Betsaka ny zavatra niova tamin’izany raha tsy hilaza afa-tsy ny fepetra takiana amin’ny fahafahana mandray anjara amin’ny fifaninanana karakarain’ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny fiarovana ny zon’ny Vadintany  sy ny fiarovana azy ireo eo ampanatanterahana ny asany manoloana ireo fahasarotana sy ny fivoaran’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Niova ihany koa ireo Lalàna mamaritra ny saran’asa ataon’ny Vadintany sy ny Mpanao Lavanty ary ny Fitsipika anatiny. Efa nandray ny «Colloque International» teto Antananarivo ny Fikambanana ka izay nahafahana nifanakalo traikefa tamin’ireo Vadintany avy any Frantsa sy ny Nosy La Réunion. Nisy ihany koa ny fitsidihana ofisialy nataon’ireo Mpikambana ao amin’ny «Chambre Nationale des Huissiers de Justice» tao Frantsa sy La Réunion nanaovana ny sonia ny “Convention de Partenariat” niarahana tamin’izy ireo. Teo koa ny fampiofanana ireo Vadintany rehetra manerana ny nosy nazahoan’izy ireo mari-pahaizana.

TT : Misy ve ny lesoka na sakana amin'ny fanatanterahana ny asan'ireo vadintany sy mpanao lavanty eto Madagasikara ? 

ARH : Maromaro tokoa ny olana sedrain’ny Vadintany tato ho ato teo ampanatanterahana ny Didim-Pitsarana. Anisan’izany ny fanakantsakanana nataon’ireo manampahefana sasany milaza azy ho mpiaro ny zon’ny Vahoaka Madinika ary mahavita mitarika ny olona hioko hanakanana ny asa ataon’ny Vadintany. Anisan’ny olana goavana ho anay vadintany mihitsy izany satria ireo tokony ho natao ho fitaratra indray amin’ny fametrahana ny tany tan-dalàna no nanome ohatra ratsy ho an’ny mpiray Firenena amin’izy ireo, ary manjary ireo olona manana zo amin’ny fananany indray no mandefitra manana ny rariny.

TT : Inona kosa no mety ho tetikasa na tanjona tian'ny fikambanana hotratrarina amin'ity taona 2015 ity ?

ARH : Ny fametrahana amin’ny toerana tokony hisy azy ny Vadintany. Hisy, araka izany, ny fampahafantarana ny besinimaro ny asan’ny Vadintany. Efa misy rahateo ny “Maison du Droit et des Professions Judiciaires” etsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana etsy Anosy ka afaka manatona ao daholo ireo mpanjifa raha misy ny zavatra tiana ho fantatra mahakasika ny Vadintany sy ny andraikiny. Eo ny fandraisana ireo Vadintany vaovao miisa 63 ka alefa hiasa avy hatrany ny antsasany. Mbola hiatrika fiofanana kosa ny ambiny, araka ny voalazan’ny sata mifehy ny Fikambanana. Hampitombo traikefa sy fahalalana ary fahaiza-manao ihany koa ireo Vadintany rehetra izay iarahana amin’ny mpamatsy vola vahiny tahaka ny “Union Européenne” sy ny “Service de Coopération et d’Actions Culturelles” ao amin’ny Masoivoho Frantsay eto Madagasikara. Hisy rahateo ireo Mpampiofana vahiny ho tonga eto Madagasikara hanatanteraka izany.

TT : Farany, olon'ny lalàna ny vadintany, inona no soso-kevitra na vahaolana arosonao hamerenana ny fahatokisan'ny olom-pirenena ny sehatry ny fitsarana eto Madagasikara izay nahabe resaka tokoa tao anatin'ny taona vitsivitsy ?

ARH : Mba hamerenana ny fitokisan’ny olona ny Fitsarana dia heveriko fa ilaina mihitsy ny fanomezana fahalalahana sy fahaleovantenan’ny  Fitsarana mba hahafahany miasa an-kahalalahana tsy misy faneriterena, ary koa ny fanomezana ny hasin’ireo Mpitsara sy ireo Miasa ao amin’ny tontolon’ny Fitsarana. Ao ihany koa ny ezaka amin’ny fametrahana ny tany tan-dalàna. Anisan’ny tompon’andraikitra amin’izany koa ny olom-pirenena rehetra satria ny tao-trano tsy vitan’ny irery ary tahaka ny asa vadi-drano ihany io, tsy vita raha tsy ifanakonana.

Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT